Fifamoivoizana

Analamahitsy Fiara 206 nivadika ambony ambany


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Analamahitsy fidinana ho any amin’ny Coliseum ny zoma alina hifoha sabotsy teo,

 

 

 tokony ho tamin’ny 11 ora. Fiarakely tsara tarehy marika 206 no nivadika ambony ambany saingy tsy nisy ny aina nafoy. Olona telo no voalaza fa tao anatiny ka vehivavy ny iray. Na izany aza, nentina haingana namonjy hopitaly izy ireo. Potika tanteraka kosa ilay fiarakely. Tsiahivina fa somary nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato. Ankoatra ny fiarakodia dia manao ny ataony ihany koa ny môtô izay saika naharatrana olona avokoa. Toky hitandrina ihany ny tsirairay fa lahitokana ny aina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT