Analakely sy ny manodidina

Hanomboka ny fanamboaran-dàlana…


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Hasiam-panamboarana avokoa ireo teboka ratsy rehetra, manomboka eo amin'ny restaurant "Ny Maraina",

mandalo ny Farihin'Anosy, mankeo amin'ny fivilian-dàlana eo Ambohijatovo ka hatrany amin'ny "Avenue de l'Indépendance", raha ny seraseram-panjakana. Ny Colas no voalaza fa hanao ny asa, ka hanomboka ny fanamboarana ny lalana eo Analakely sy ny manodidina. Nambaran’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy fa efa vita kosa ny lalana eny Ivandry - La City. Mbola hatao kosa ny asa fanamboarana ho an'ny lalana mihazo an'Ankorondrano, raha ny fampanantenanana. Eo am-panterahana ny fanalana ny tsentsina sy fanadiovana ny lakandrano manapaka mankeo amin'ny BOA eo ampita ny Kaominina Antananarivo renivohitra ankehitriny ka hirosoana avy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana vantany vao vita izany, hoy hatrany ny serasera. Irariana mba tena ho voajery avokoa ireo fahasimbana eto Antananarivo Renivohitra ka mba tsy ho vonjivonjy tavanandro na kajikajy politika, fa tena fijerena ny mahasoa ny Renivohitra. Sao mantsy ka hoe : mody amboarina ny manodinana ny 13 mey noho ny ahiahy hisian’ny fidinana an-dalambe, hoy ny vazivazy zary tenany ataon’ny olom-pirenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT