Fifamoivoizana

Analakely Nitokona ireo Taxi moto


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Nitokona sy nanao hetsika fanairana nanoloana ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ireo mpitondra taxi moto marobe eto Antananarivo sy ny manodidina. 70 isa teo ho eo izy ireo raha kely manohitra ny fanagiazan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny moton’ny naman’izy



ireo izay noraofin’ny polisy sy ny komity stratejika momba ny fitaterana eo anivon’ny kaominina teny amin’ny faritry 67 ha ….nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Nambaran’ireo mpitondra moto nandritra izany fa efa nisy ny fiangaviana natao tamin’ny Ben’ny tanana ny mba hahafahan’ny roa tonta miresaka. Anisan’ny tena hetahetan’izy ireo mantsy ny mba hahafahany miasa amim-pilaminana, manaraka izay karazana toromarika omena hamelomany ny vady aman-janany. Mbola nitohy omaly ny hetsika ka taxi moto 35 isa sy taxi tsy ara-dalàna indray no noraofin’izy ireny teny Ankadimbahoaka, 67 ha, …omaly. Tsiahivina moa fa anisan’ny mamono ny asan’ny fiara karetsaka ny taxi moto. Hatreto mantsy dia mbola tsy ara-dalàna izy ireny no sady hampiasain’ny mpanao ratsy hanaovan-dratsy ihany koa indraindray, ankoatra ireo efa nitondra entan’olona nitsoaka sy nanolana vehivavy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT