Fifamoivoizana

Ampitatafika Andrefambohitra Mampitaraina ny mponina ny haratsian’ny sampan-dalana


  • Zoma 10 Janoary 2020

Andrasana ny fanamboarana fotodrafitrasa tena maharitra eto amintsika. Voakasik`izany ny fanamboaran-dalana.

 

Natao peta-toko sy vonjy tavanandro, hany ka izao iaraha-mahita izao ny fahapotehany ao anatin`ny fotoana fohy. Saika mitaraina avokoa ny tompon`ny fiara rehetra eny Andrefambohitra, kaominina Ampitatafika, noho ny haratsian`ny sampan-dalana. Fiara maro no mijaly, indrindra ireo fiara iva. Kodiarana maro no efa vaky eo amin`io sampan-dalana io. Mitohana ny fiakarana ao tampon-tanànan`Ampitatafika satria mijaikojaiko ireo fiara rehefa miditra any Andrefambohitra. Miantraika mivantana any amin`ny fiarakodia ny lalana simba. Potika ny fiara nefa lafo ny vidin`ny kojakoja vokatry ny lalana ratsy. Efa an-taonany maro no mampitaraina ny mponina io sampan-dalana io.  Natao vy ilay lalana dia misy mangalatra. Natao rarivato na koa “béton”, tsy mahazaka ireo kamio sy ireo fiarabe mpitatitra entana. Etsy an-daniny, ny lalana efa ratsy sady tery kanefa ireo mpivarotra amoron-dalana dia manao izay danin’ny kibony. Tsy mahagaga raha tsy marisika amin’ny fandoavan-ketra ny olom-pirenena. Tsy tsapany sady tsy hitany akory ny nampiasana ny hetra naloany. Na dia ao anatin`ny fiandrasana ny vokatra ofisialin`ny fifidianana kaominaly aza dia tokony handray andraikitra foana ny lefitry ny tanana satria izy ireo no mitantana ny tanàna. Maro ny kaominina no misedra toe-javatra toy izao. Andrasan`ny mpampiasa lalana ny hametrahan`ny kaominina paikady mahomby amin`ity lafiny fikojakojana ny lalana ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT