Fifamoivoizana

Ampefiloha sy Anosy Maro ireo toerana tsy azo hijanonan’ny fiara intsony


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Manao ny ezaka rehetra ny polisim-pirenena mba ho famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra.

 

 Nametrahana polisy eny amin’ny faritr’Anosy sy Ampefiloha iny ka natao faritra tsy azo ijanonan’ny fiara ny manodidina ny sampandraharahan’ny fananan-tany, ny fitsarana, tranom-bokim-pirenena izany hoe manoloana ireo ministera Samihafa. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nisy fiara 4 x 4 iray saika hijanona teo akaikin'ny LMA. Nanatona ny mpamilin’ilay fiara ny polisy niasa teny an-toerana ary nilaza taminy fa tsy azo hijanona eny an-toerana fa mibahan-dalana ka mahatonga fitohanana. Namaly ilay mpamily hoe :"nahoana ireo misy moto avelanareo mijanona eo?" Namaly azy ilay polisy fa tsy mibahan-dalana ny moto. Nanao vavabe ilay mpamily taorian’izany toy ny hoe : « Ataovy izay ataon’ialahy fa izaho tsy maintsy mipetraka eto» niezaka nanazava ilay polisy fa araka ny fepetra noraisina dia tsy azo ijanonana eny an-toerana. Mbola nitohy ihany anefa ny faniratsirana ilay polisy na izany aza hoy ny loharanom-baovao. Tsy mahazo mihetsika eo ianao hoy ilay Polisy fa hiantso ny lehibenay aho. Nijoro teo anoloan’ny fiara ilay polisy nanakana azy tsy handeha ary nambanany hodomina. Nanomboka nitangorona ny olona. Mba hialana tamin’izany anefa dia nentina niditra tao amin’ny faritry ny foiben’ny polisy Anosy ilay fiara. Noho ireo polisy miasa eo avy amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalana dia nanao tatitra tamin’ny lehibeny ilay polisy ka dia natolotra ny SUT Tsaralalana hatao fanadihadiana ilay mpamily noho ny faniratsirana mpitandro filaminana manao ny asany sy ny finiavana hanohitra ny fepetra napetraka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT