AMPASIMPOTSY TOAMASINA

Vavy antitra maty voahitsaky ny fiara vaventy


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Tena manao ny hataony ny fiara vaventy na ny kamiao any amin’ny lalam-pirenena faharoa

hoy ny fitarainan’ny mponina. Vavy antitra iray indray mantsy omaly Alahady 03 Martsa no maty voahitsak’izy ireny raha nandeha an-tongotra moramora tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Ho any Antananarivo ilay fiara vaventy io raha tao Ampasimpotsy, 2 km avy ao Fanandrahana Toamasina kosa no nitrangan’ny loza. Nifatratra tamin-javatra moa ilay kamiao rehefa niala ity Renim-pianakaviana ity. Naratra mafy vokatr’izany ilay mpamily sy ny mpanampy azy raha namoy ny ainy kosa ilay Ramatoabe. Nohamafisin’ireo nanatri-maso ny loza moa fa misy amin’ireo mpamily fiara vaventy mampiasa ny lalam-pirenena faharoa no tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana akory nefa tena mandeha mafy tokoa. Miantso ny tompon’andraikitra mba hanara-maso akaiky izany tranga izany izy ireo ho fitandroana ny ain’ny mpandeha an-tongotra. Mahatratra 10 isan’andro moa eto amintsika ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana raha tsiahivina.
Pati
Legende : Ilay Renim-pianakaviana namoy ny ainy efa nitangoronan’ny olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT