AMPASIMAZAVA TOAMASINA

Lehilahy nitondra vehivavy lolo tamin’ny moto


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Misy zavatra tsy hay hazavaina sy tsy fantatra foana eny anivon’ny fiarahamonina

raha vantany vao tonga ny alina. Lehilahy iray nitondra moto nandalo teo Ampasimazava no nisy nisakana afak’omaly alina tao Toamasina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Avy niasa io lehilahy io raha ny vaovao azo ary sokanana tovovavy iray izay heveriny ho tratra alina tahaka azy ihany koa. Niangavy taminy mba haterina eny Mangarano io tovovavy io no sady niangotingoty fatratra taminy. Babo sady nangoraka ny anaolahy noho izany ka dia nitondra tokoa. Rehefa tonga teo amin’ny Saint Paul anefa ny anaolahy dia nitodika nijery ilay tovovavy taoriany. Efa tsy tao intsony nefa ity farany no sady tsy henony akory ny nialany hoy ny vaovao. Nijanona naka sisiny ilay lehilahy naka saina vokatr’izany ka saika tsy tonga tany an-trano avy eo noho ny tahotra.
Pati
Legende : Raha tsy lasibatry ny lolo dia hataon’ny jiolahy mahita ireo mitondra moto amin’ny alina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT