Fifamoivoizana

Ampangambe Ambohitrimanjaka Ramatoa iray maty voahitsaky ny kamiao


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly maraina teny Ampangabe Ambohitrimanjaka. Ramatoa iray mpaka rindra hanaovana rary manodidina ny 60 taona handeha hamonjy fodiana no maty nitsahin’ny kamiao

 mpitaona biriky teo amin’ny tetezan’Andohavato. Potika tanteraka ny lohan'io ramatoa io izay fantatra fa niezaka ny niala ilay tetezana ihany saingy tsy afaka. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso rahateo dia nandeha mafy ity kamiao iray ity. Ilay tetezana rahateo tsy misy arofanina no sady ary efa nahitan-doza matetika. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny hanamboarana ity tetezana ity araka izany ny mponina. Efa noraisin’ny mpitandro ny filaminana an-tanana kosa ilay mpamily raha mbola hangatahin’ny mponina ihany koa ny hametrahana fepetra manokana mikasika ireo fiara mandeha mafy hisorohana ny famoizan’aina tahaka izao. Karazana zava-maniry hanamboarana tsihy moa ny rindra raha tsiahivina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny lohan’ity Renim-pianakaviana ity mihitsy no notetezin’ilay kamiao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT