Fifamoivoizana

Ambositra Vadina filohana andrim-panjakana namono olona


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany Lajaky-Ambositra ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 01 ora folakandro.

 

 

Fiara 4x4 iray nentina vadina lehibe andrim-panjakana iray eto amin’ny firenena izay voalaza fa nandeha mafy no nifaoka mpivarotra amoron-dalana. Enina no fantatra fa voadona vokatr’izany ka olona roa namoy ny ainy. Tovolahy vao afa-panadinana Bakalôrea farany teo ny iray raha vehivavy bevohoka 5 volana kosa ilay faharoa farany. Raha ny vaovao hatrany dia toy ny niodina an-dalana no nahavoa ilay fiara 4x4. Nifangaro anefa ny fanitsahana ny hisatra sy ny hafainganam-pandeha nandritra izany ka nahazo hery tampoka ilay fiara ary namantana tany amin’ireo olona teo anoloany. Efa tonga nijery ireo naratra moa ireo solontenam-panjakana  isan-tsokajiny any an-toerana ary fantatra fa horaisiny an-tanana ny fitsaboana ireo maratra enina izay mbola tazonina ao amin’ny hôpitaliben’Ambositra hatramin’ny fotoana nanoratanay. Mbola notazonina  tao amin’ny  kaomisarian’ny polisy  ao Ambositra kosa ilay vadina lehibena andrim-panjakana nanitsak’olona, noho ny tahotra ny amin’ny  mety  hisian’ny fitsaram-bahoaka hatramin’ny omaly nanoratana ny vaovao. Nirotsaka nanampy ny fitandroana ny fandriampahalemana any an-toerana ihany koa ny zandarimariam-pirenena. Raha ny angom-baovao natao dia ny vadin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena ity nitondra fiara ka nitera-doza tany Ambositra ity. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT