Fifamoivoizana

Ambohitrimanjaka Naratra mafy ilay mpitondra moto nofandrihina tamin’ny tady


  • Alarobia 20 Aprily 2022

Taorian’ilay tovolahy iray novonoina sady nalaina ny moto-ny, tranga niseho teny Ambohitrimanjaka herinandro maromaro lasa izay dia zazalahy kely iray nitondra moto indray omaly no nisy nanakana

 tamin’ny tady ka naratra mafy. Raha araka ny loharanom-baovao dia niezaka nandeha mafy ity tovolahy kely ity mba hamonjy fodiana, mbola teny Ambohitrimanjaka ihany. Efa nametraka velam-pandrika anefa ireo olon-dratsy ka natsipin’ilay tady nanakana ny lalana nandehanany ity tovolahy kely ity. Naratra mafy vokatr’izany izy ka voatery naiditra hopitaly. Mitaraina noho izany ireo mpampiasa moto na kodiaran-droa. Ohatra ny teny am-piandohana ihany mantsy no nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny mpitandro ny filaminana fa rehefa nangingina izany dia nipetraka indray izy ireo. Ireo mpanao ratsy anefa eo an-daniny tsy mitsahatra manao ny hataony ka ahiana hahafaty olona hatrany.

Nangonin’i Pati

Legende : Naratra mafy tahaka izao ity tovolahy kely ity
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT