Fifamoivoizana

Ambohitrarahaba Nisosa ilay moto ary nirehitra avy eo


  • Talata 27 Desambra 2022

Ilana fitandremana be ny mitondra moto na kodiaran-droa amin’izao. Ankoatra ny orana kely madinika mampalama ny lalana mantsy dia mampisosa ny moto ihany koa ny menaka miraraka eny amin’ny arabe,

ny vatokely sy ny fasika…..Mpianaka avy nameno ny fitoeran-tsoliky ny moto-any omaly teny Ambohitrarahaba no nisosa tampoka. Naratra vokatr’izany izy mianaka raha nirehitra kosa ilay kodiaran-droa. Ny tena nampalahelo tamin’ity tranga ity dia tsy mba nisy namonjy izy mianaka na dia olona iray aza. Ohatra ny nijerijery fotsiny ny ankamaroan’ireo olona nahita, izay tsy fantatra intsony na noho ny tahotra na noho ny antony hafa. Lasa hita taratra eny anivon’ny fiaraha-monina mihitsy vokatr’izany ny tsy fisian’ilay fifanampiana intsony eo amin’ny samy Malagasy. Noho ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany ka manefy ny sain’ny sasany hanjary hanana ilay toe-tsaina ory hava-manana ka zarany aza voa ny sasany mba tsy hanana mitovy aminy ihany koa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT