Fifamoivoizana

AMBOHITRARAHABA Nifatratra tao ambany kamiao ilay mpitondra bisikileta


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Ambohitrarahaba ny faran’ny herinandro teo.

Kamiao lehibe iray no voalaza fa nanitsaka Raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta raha nifanao aloha sy aoriana izy ireo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia voasaringotr’ilay kamiao lehibe teo alohany ilay bisikilera nentin’ity Raim-pianakaviana ity ka nifatratra tao amin’ny kodiarana aoriana. Avy any aoriana rahateo izy ka voahitsaka ny lohany ary fisaka nanaraka ny arabe tara tanteraka. Nandriaka vokatr’izany ny ra. Tsy tana intsony moa ny ain’ity mpitondra bisikileta ity na dia efa niezaka ny nanavotra azy aza ireo nanatri-maso. Tsiahivina fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ankoatra ireo miampita arabe dia misy ihany koa ireo tratry ny loza tampoka tahaka izao. Maro ihany koa ireo tratry ny tsy fidiny ka hifatraran’ireny fiara mipotsaka tsindry hisatra tampoka….ireny. Mila mitandrina hatrany araka izany ny rehetra fa lahitokana ny aina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT