AMBOHIMANGAKELY

Maty tsy tra-drano ilay mpandeha moto


  • Talata 05 Septambra 2023

Alevina rahampitso Alarobia 06 Septambra rehefa namoy ny ainy teny amin’ny PK 12+60 Andranomandry Fokontany

Ambohitrombihavana kaominina ambanivohitr’Ambohimangakely, ilay mpamily kodiaran-droa tra-doza teny an-toerana tamin’ny alahady hariva teo. Tovolahy vao 23 taona monja izy io raha tsiahivina, nitondra moto JOG Pro 90. Maty tsy tra-drano ny tenany rehefa nandona kamiao vokatry ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Mafy dia mafy tokoa moa ny dona nahazo an’Itompokolahy. Ilay kamio kosa anefa teo an-daniny tena nandeha miadana tokoa noho izy tao anaty fitohanana. Ny zoro havian’ny ridelle an'ilay kamiao moa no nitaty ny handrin’Itompokolahy ka niparitaka ny ati-dohany. Mbola nahenoana fofona alikaola ny razana, hoy hatrany ny vaovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati Legende : Maty ilay tovolahy nitondra moto !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT