Fifamoivoizana

Ambohimangakely Lasa tanàna haolo ny « Gare Routière Fisandratana »


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Ao anatin` ny fampiroboroboana ny politikan` ny fizahantany anatiny isika amin` izao fotoana izao.

 

 

 Maro ireo mpizahantany na eto an-toerana na vahiny, indrindra amin`izao vanim-potoan`ny fetin`ny faran` ny taona izao, no mankasitraka tanteraka ny toby fiantsoana etsy Makis Andohatapenaka. Maro ireo toromarika misy ao ary dia manaraka tsara izany ireo mpampiasa ny toerana. Mizotra mankany amin`ny ara-dalàna tokoa ka voafehy na ireo mpitatitra na koa ireo mpanera ary voahaja ireo mpandeha. Miresaka toby fiantsoana isika ka mipetraka ny fanontaniana: nahoana no tsy ampiasaina ny « Gare Routière Fisandratana »  etsy Ambohimangakely ? Tsy nandanian` ny fanjakana ankehitriny vola io fotodrafitrasa io na ariary aza fa tamin`ny andron` ny HVM. Ny taona 2016 no nanomboka ny tetikasa ary tamin` ny volana aogositra 2018 teo no tokony notokanana. Ny volana janoary 2020 indray no tokony nampiasaina saingy tsy nety tanteraka. Hifaran ihany ity ny taona mbola tsy nampiasaina ny « Gare Routière Fisandratana »  nefa dia manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Mitoetra amina velaran-tany 4 500m², “guichets” miisa 6 ho an` ireo kaoperativa mampiasa ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-7, ary manana toerana fametrahana fiara mahazaka fiara 250 mahery. Tsara ny manamarika fa ny tany misy ny toby fiantsoana etsy amin’ny Fasan-karana dia tanin`olona nindramina. Mitaky ny famerenana azy ny tompony ka izany no nahatonga ny fitondrana tamin` izany nanorina toby fiantsonana vaovao. Marihina hatrany fa ambetin-dresaka ataon` ny fitondrana ny hoe “ny tsy fanànana fotodrafitrasa no tsy ahafahan` ny fizahantany miroborobo eto amintsika”. Misy io izao ny fotodrafitrasa ka nahoana ary no tsy ampiasaina ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT