Fifamoivoizana

Ambohimanarina Nentin’ilay taxi moto nitsoaka ny poketra sy ny volan’olona


  • Zoma 16 Jona 2023

Vehivavy iray nandeha niasa alina indray afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 10 ora no lasibatry ny mpitondra taxi moto.

Fantatra fa ho any Ivandry ity vehivavy ity tamin’io fotoana io. Rehefa nahatazana barazin’ny Polisy teo Antanetyanefa ilay mpitondra taxi moto dia nasainy nidina aloha ilay vehivavy mba hialana amin’ny fisavan'ny Polisy. Rehefa nidina ilay moto ilay vehivavy, tonga dia nitsoaka nirifatra niaraka tamin'ny poketran'ity farany ilay taxi moto izay poketra misy finday sy vola mitentina 90.000 Ar ary karatry ny banky. Nampandre ny Polisy avy hatrany ilay niharam-boina ka niroso tamin'ny fisamborana iretsy voalohany. Tsy lasa lavitra moa ilay mpitondra taxi-moto dia tratra. Fantatra tamin'izany fa tadidin'ilay vehivavy voaendaka ny endriky sy ilay moto nentiny ka voaporofo tanteraka ilay tranga.
Pati
Legende : Ity ilay mpanendaka niaraka tamin’ilay taxi-moto nentiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT