AMBOHIMANARINA

Lehilahy 24 taona maty voafaokan’ny kamio


  • Talata 06 Febroary 2024

Lehilahy iray, sahabo 24 taona no nofaohan'ny kamiao lehibe iray mpitondra zava-pisotro

teo Ambohimanarina ny Sabotsy 03 febroary teo tokony ho tamin'ny 08 ora alina. Naratra mafy noho ny dona nahazo azy ity lehilahy ity ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana teny Anosivavaka. Nafindra teny amin'ny HJRA ilay naratra avy eo saingy ora vitsy taorian'ny voina nahazo azy dia tsy tana ny ainy. Tonga teny an-toerana ny BAC (Brigade des Accidents) Tsaralalana nanao fizahàna ny zava-nitranga. Notanana eo anivon'ny Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena avy hatrany moa ilay lehilahy 49 taona, mpamilin'ilay Fiara lehibe nahavanon-doza. Tamin'ny fanadihadiana azy dia nilaza ity mpamily ity fa tsy nahita ilay olona voadona io izy raha tsy efa voadonan’ny fiara nentiny ity farany. Mbola mitohy ny fanadihadiana. Efa noraisin’ny fianakaviana moa ny razana ary fantatra fa efa nalevina omaly Alatsinainy.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy voadona ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT