Fifamoivoizana

Ambohimanambola Taxi be iray niharan'ny sazy sahady


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Toy ny fitaterana Taxi-be rehetra eto Iarivo sy ny manodidina azy dia nanomboka omaly alarobia ihany koa no niverina niasa ireo fiara miasa eto amin'ny kaominin'Ambohimanambola mampitohy an'Ambohijatovo.

 

 

 



Tsy nisy fepetra manokana notakian'ny Kaominina sy ny mpitandro ny filaminana amin'ny fomba fiasan'izy ireo fa manaraka fotsiny ny fepetra navoakan'ny minisiteran'ny fitaterana amin'ny tsy tokony hisian'ny olona mitsangana sy ny mipetraka amin'ny lalan-tsara
afovoany ary ny tokony hitondran'ny mpandeha rehetra arovava sy hanorona "desinfectant" ny tanana alohan'ny hidirana amin'ny fiara. Notanerahin'ireo fiara niasa an-tsakany sy an-davany avokoa ireo fepetra ireo tamin'ny ankapobeny ary manara-maso izany ny polisy kaominaly eny an-toerana sy ny zandary ihany koa ka fiara iray no efa nahatrarana olona roa tsy nitondra aro-vava ka nampiharana avy hatrany ny sazy fampidirana "fourrière". Tokony tsy hiseho ny tahaka izany, hoy ny "chef de poste-n'ny zandary" eny an-toerana raha samy mandray ny
andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay fa tsy voatery harahi-maso
akaiky lava izao. Marihana fa saran-dalana feno (600 ar) no alohan'ny mpandeha rehetra fa tsy misy tapa-dalana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT