Namono olona indray ny kodiaran-droa omaly Alatsinainy 04 Desambra folakandro tany Ambohimahasoa.
L𝗲𝗵𝗶𝗹𝗮𝗵𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 20 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗮𝘁𝗿𝗮 m𝗼𝘁𝗼, 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮 nanao 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 m𝗼𝘁𝗼 𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗮𝗿𝗶𝗻𝘆 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝘁𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝘁𝗿𝗮-𝗱𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗼𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮 kamiao lehibe 𝗶𝗿𝗮𝘆. Raha araka ny fantatra dia nandeha mafy ilay kodiaran-droa io ka avy hatrany dia namantana tao ambany kodiaran’ilay kamiao. Avy any Toliara hiazo an'Antananarivo ilay kamiao no nifanehatra tampoka taminy, antony niteraka ilay famoizana aina tampoka. Simba tanteraka koa ilay moto vokatr’izany nentiny. Ny fiaran'ny mpitandro ny filaminana moa no nandray an-tanana ny fitondrana ny razana, raha nanaovana fanadihadiana ilay mpamilin’ilay kamiao. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ny 80%-n’izany dia vokatry ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara avokoa raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily kosa ny 20%.
Pati
Legende : Nandriaka ny ra teto !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.