Fifamoivoizana

Ambohijatovo Tafatsofoka tao ambany taksibe ilay mpamily moto


  • Talata 24 Aogositra 2021

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny fidinanan’Ambohijatovo hihazo ny tionelina ambanidia nifanandrify indrindra tamin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

 Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy 25 minisitra teo, fiara marika mazda an’ny zotra 128 no nirimorimo tampoka tao anatin’ny fifanisihana. Tena nandeha mafy dia mafy, ka nifaoka taksibe an’ny zotra 135 izay tena mafy dia mafy ny dona, ary namantana tamina mpitondra moto iray marika “bws” niloko manga teo aloha. Voatrongy sy lasa tao ambany fiara ilay moto sy ny mpitondra azy, ary mbola tao aminy ny vintana satria nidona tamina fefy vy tamin’ny ilany havanana ilay fiara ka mba tafajanona sy nihitsoka teo. Izay folaka na ratra anaty no tsy hay, fa ny ivelany, aloha dia tsy naratra ilay mpitondra moto tamin’ny ankampobeny nivoaka avy tao, ary afaka nijoro tsara taorian’ny loza. Raha tsy nisy ilay fefy vy tamin’ny ilany ankavanana nivantanan’ilay taksibe rehefa avy nifaoka ilay fiara iray teo alohany, dia tena zava-doza satria ilay moto aza dia nosokiriny tao ambanin’ny fiara. Rehefa novelomina io taksibe mazada io, dia toa karazan’ny mbola nihitsoka ny vitesin’ilay fiara, ka mbola nitrona handroso. Tsy fantatra mazava na resaka hisatra na fifamadihan’ny tongotra tao amin’ny “pédales” no nifamadika, izay soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, fa nisy kosa ny fahapotehan-javatra. Vetivety dia nitangorona ny olona ary efa nijery ifotony ny zava-niseho ihany koa ny mpitandro filaminana. Ilàna fitandremana sy fifandeferana ary fandaminana eo Ambohijatovo, indrindra fa misy ny fiara midina avy any Mandrisoa Ambohijatovo mangata-dàlana, saingy matetika no miziriziry ny avy any Ambohijatovo ambony, ka eo matetika no isehoana ankisisika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT