AMBOHIDROA

Jamba niampita, maty voadonan’ny fiara


  • Talata 24 Oktobra 2023

Raim-pianakaviana jamba iray no fantatra fa maty voadonan’ny fiara kely nandalo teny Ambohidroa teny omaly

Alatsinainy 23 Oktobra folakandro. Handeha hiampita ity jamba ity no nofaohany tampoka ka avy hatrany dia nidaraboka tamin’ny tany tsy afa-nihetsika intsony. Ny lohany raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso no tena voamafy. Raha araka ny resaka niely teny an-toerana ihany dia karazan’irony efa mamo irony ilay mpamily ka tsy nitsitsy izay sendra azy intsony. Tokony ho lohalaharana hatrany mantsy ny olona jamba rehefa miampita arabe na tantanany izy na mitondra tehina fotsy noho izy ireny tsy mba manana fahafahana ny hijery toy ny olon-drehetra. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT