AMBOHIDRAPETO

Arahi-maso avokoa ny lalana rehetra


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Efa amam-bolana izao no mitodika amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ireo foto-drafitrasa misy

ao aminy ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano tarihin’ny Ben’ny tanana Mihary Andriantsilavo. Lohalaharana amin’ireny ny lalana izay asiany fanaraha-maso avokoa ankehitriny mba hahafahan’ny vahoaka sy ny vokatra ao aminy mifamezivezy. Mbola tantsaha mpamokatra avokoa mantsy ny 80%-n’ireo mponina ao amin’ny kaominina ity ka ankoatra ny fambolem-bary dia anisan’ny mampahalaza azy ireo ny famokarana ireo karazama legioma maro samihafa ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Fokontany maro no notetezin’ity Ben’ny tanana ity sy ny ekipany araka izany ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ny lalana midina miazo ny orinasa afaka haba Macotex miazo an’Antsahamasina kosa dia fantatra fa efa mandeha ny asa fanarenana amin’izao , antony nisian’ny fahatapahan-dalana mihitsy teo aloha teo.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana sy ny ekipany mijery ireo lalana hasiam-panamboarana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT