AMBOHIBARY ANOSIBE

Toy ny namboarina mba hopotehina ny lalana


  • Talata 18 Febroary 2025

Toy ny namboarina mba hopotehina tanteraka ny lalana avy etsy Anosibe miazo an’Ambohibarikely,

Fokontany iray ao anatin’ny Boriborintany fahaefatra. Nivadika ho fotaka mena malama mandratra olona no sady tsy azon’ny fiara madinika hampiasaina intsony mantsy ilay lalantany efa mba nifatratra teo aloha. Taorian’ny namefena ny lakan-dranon’Andranolava no nisian’izany miampy ny ranon’orana tsy miato amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Na ireo fiara 4x4 aza mila tsy ho afakahanakivaky ity lalana ity intsony. Ireo mponina indray miakatra amin’ilay fefy rarivato manakana ny ranon’Andranolava tsy hihoatra no mandeha fa raha tsy izany dia mihitsoka tanteraka ao an-tokantranony. Velon-taraina avokoa vokatr’izany ny mponina. Raha ny fampanantenana nataon’ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ity lakan-drano sy lalana ity mantsy dia hatao tara ilay arabe ary omena endrika toy ny etsy amin’ny Marais Masay mihitsy ny tananan’Ambohibarikely. Indrisy anefa fa ny mifanohitra amin’izay no mitranga ankehitriny. Manampy trotraka ny haratsian-dalana ny mbola fisisihan’ireo posy sy sarety mpitatitra entana mampiasa iny lalana iny na dia efa hirobohany fotaka mena hatrany an-dohalika aza.
Pati
Legende : Lakana no tena miasa eny Anosibe ambohibarikely amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT