Fifamoivoizana

Ambohibao Antehiroka Ny Colas no hanamboatra ireo lalan-kely


  • Alarobia 11 Mey 2022

Tena azo hanina tokoa ny lalana satria miantoka fampandrosoana ao anatin’ny faritra iray misy azy. Miroso amin’izany ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

Vita omaly ny dinika mikasika ny fanomanana ny asa fanamboarana ny lalan-kely mihazo ny biraon’ny Fokontany ao Antanetibe izay tetikasa iarahan’ny kaominina amin’ny AGETIPA. Ny orinasa COLAS raha araka ny fantatra no hanao ny asa izay mpiray miombon’antoka amin’ity orinasa iray ity sy ny Kaominina Antehiroka. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Atoa Lalaina Vatosoa dia hanomboka amin’ity herinandro ity ihany ny asa ary vinavinaina ho vita ao anatin’ny 45 andro. Mangataka sahady ny faharetan’ny mponina eny an-toerana ny amin’ny mety hisian’ny fanelingelenana amin’ny fifamoivoizana araka izany ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa anisan’ny lalana tena nampitaraina fatratra ny mponina ny ao Antanetibe indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra. Ankoatra ny fahasahiranan’ireo mponina amin’ny fotaka mandrevo dia sahirana ihany koa ny fiara amin’ny fampiasana ny lalana.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ireo mpiara-miombon’antoka omaly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT