Fifamoivoizana

Ambodivona Hohavaozina ny tsena sy ny toby fiantsonana fiarakodia


  • Talata 28 Febroary 2017

Tsy misy antsojay na fanilikilihana ny fanatsarana sy fanomezana endrika vaovao ny tsena sy ny toeram-piantsonana fiarakodia eny Ambodivona,

hoy ny vaomiera iombonan’ny boriborintany faha-3 sy faha-5, ny kaomisaria, ny distrika, ny mpitatitra, ny mpivarotra ary ny mponina eny amin’ny manodidina. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo moa ny tetikasa fandaminana sy fanadiovana izay hanomboka amin’ity herinandro ity, araka ny fandaharam-potoana nifanarahan’io kaomisionina marolafy io. Misongadina rahateo ny fifanomezan-tanana satria hisahana ny fanitarana ny lalana rarivato mirefy 150 metatra, ohatra, ny mponina eny an-toerana. Hanavao sy hampitombo ny fotodrafitrasa hisorohana ny fitohanan’ny fiarakodia lavareny kosa ny kaominina Antananarivo Eenivohitra izay tafiditra amin’ny asa fampandrosoana nampanantenain’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT