Ambodivona-Ambohimanandray

Novitain’ny depiote Todisoa ny lalankely nangatahan’ny mponina


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Toy ny tany amin’ireo fokontany samihafa tao anatin’ny Boriborintany faha-6 dia

namaly ny antson’ny vahoaka tao Ambodivona-Ambohimanandray anatin’ny Faritra Ambohimanarina ihany koa ny Depiote Todisoa Andriamampandry. Vita ihany koa mantsy ny lalankely sy ny rarivato izay niangavian’ny mponina hatao. Nidina ifotony nijery izany sy nitafa tamin’ny mponina teny an-toerana ity depiote ity ny faran’ny herinandro teo. Niantso ny rehetra mba hikojakoja ny fotodrafitrasa vita noho izany ny tenany. Nanamafy fa « Ny Firaisankina no hery », ary «tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy». Ity depiote ity moa dia maneho hatrany fa tsy andraikitra fa adidy, ka miezaka manao izay vita sy tratry ny hery ho fanasoavam-bahoaka.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT