Fifamoivoizana

Amboditsiry Maty nodomin’ny moto ilay mpangataka


  • Talata 20 Oktobra 2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona iray teny Amboditsiry teo akaikin'ny Lapara Pharmacie ny 8 oktobra teo.

 

 

 

 Tokony ho tamin' ny 10ora alina tany ho any no nitrangan’ny loza raha tsiahivina. Moto kymco G5 izay hiazo ny rond point Andranobevava no nandona lehilahy iray 40 taona izay nipetraka tamin'ny sisiny ankavanan-dalana. Noho ny dona mafy nahazo ity farany anefa dia maty tsy tsa-drano izy izay mpangataka nipetraka teo amin'ny sisin-dalana . Marihana fa mamo ny mpamily ilay moto , antony nahatonga ny loza. Nianjera ilay moto ka naratra ilay mpitaingina ary potika tanteraka ny lohan'ilay moto. Nentina avy hatrany teny amin'ny tranopaty kosa ny razana. Misokatra ny fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT