Fifamoivoizana

Ambodiafotsy Ampitatafika Torana ilay mpitondra moto nifandona tamin’ny fiara 4x4


  • Zoma 12 Novambra 2021

Lehilahy iray nitondra moto nifandona tamina fiara 4x4 voalaza fa fiara mpitondra marary omaly hariva efa maizina teny Ambodiafotsy Ampitatafika.

 Tsy mahatsiaro tena avy hatrany ity lehilahy ity nandritra izany izay voalaza mihitsy aza fa namoy ny ainy. Raha araka ny fantatra moa dia samy nandeha mafy ny roa tonta ka tsy hita intsony izay nahafahana namaha ny olana. Raha tsiahivina dia efa amam-bolana maro ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina no nangataka tamin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny mba hahafahana mametraka casseur de vitesse eny an-toerana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao saingy tsy mbola nisy vokany izany mandraka ankehitriny. Tsy mahagaga araka izany raha misy hatrany ny loza tahaka izao eny amin’iny faritra iny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT