Tovovavy roa mpianatry ny oniversite katolika ASJA ao Antsohihy no nodomin’ny fiaran’ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny fokontany Ambendrana ny alatsinainy 4 desambra lasa teo.
Raha ny fampitambam-baovao avy any an-toerana, nizotra tamim-pilaminana tamin’ny sisin-dalana izy ireo no nofaohan’io fiara io tampoka. Raha ny tatitra avy any an-toerana, tsy lojika mihitsy ny handonan’ny fiara azy ireo, saingy nandika lalàna nandeha tamin’ny sisiny an-kavia sady nirimorimo mafy io fiaran’ny mpitandro filaminana io. Maty tsy tra-drano ny iray, ary naratra mafy sy miady amin’ny fahafatesana kosa ny iray. Vao 21 taona monja io tovovavy maty io ary taona fahatelo amin’ny sampana lalàna tao amin’ny oniversite katolika ASJA. An-dalam-pahazoana ny mari-pahaizana “Licence” izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Tsy sanatria natao hanenjehana ny mpitandro ny filaminana, fa porofo iray mibaribary amin’ny fisian’ny fitondran-tenan’ny sasany amin’izy ireo ho mitondra ho ambonin’ny lalàna ny tahaka izao. Tsy fantatra mazava hatreto ny antony nahatonga io fiaran’ny zandary io tsy maintsy nandeha mafy tamin’ny ilany an-kavia, izay tsy azo atao. Nisy dia maika tsy maintsy novonjena sa olana ara-teknika ? Mila hazavaina sy hampahafantarina an’ny mpiarabelona ny hoe rehefa inona ny fiaran’ny mpitandro filaminana no mahazo mampaneno anjomara sy tsy maintsy homen-dalana avy hatrany, ary afaka mandeha amin’ny lalana mifanohitra amin’ny tokony ho izy ? Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana dia ny koretezy mitondra filoham-pirenena, ny filohan’ny andrim-panjakana roa dia ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena, ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary ny fiara mpitatitra marary sy mpamonjy voina no manana zo tsy azo hivalozana sy tsy maintsy homen-dalana. Andrasana ny fanazavan’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena momba ity toe-javatra, izay manaratsy endrika ny mpitandro ny filaminana ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.