Fifamoivoizana

Ambatotokana Antanetibe Antehiroka Mitoka-monina tanteraka vokatry ny haratsian-dalana


  • Zoma 23 Septambra 2022

Anisan’ny tanàna nitoka-monina tanteraka ny faritra Ambatotokana Fokontany Antanetibe Antehiroka, kaominina Antehiroka hatramin’izay.

Vokatry ny haratsian-dalana no mahatonga izany izay fantatra fa tsy mba nojeren’ireo mpitondra nifandimby tao amin’ity kaominina ity mihitsy. Mahatsiaro mijaly ny mponina vokatr’izany, indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra. Tsy vitsy amin’ireo zaza amam-behivavy sy zokiolona no maratra sy mitondra takaitra tsy fidiny, antony nanosika ny Ben’ny tanàna Rivolalaina Vonjy Arthur hikiry hanamboatra izany. Nisy ny fidinana ifotony notanterahiny niaraka tamin’ny Ministeran’ny ny asa vaventy omaly ka fantatra tamin’izany fa hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana. Hatao rarivato iray manontolo ilay lalana raha araka ny fantatra, asa izay nambaran’ity Ben’ny tanàna ity hatrany fa hitohy any amin’ireo Fokontany hafa. Ankoatra izay dia notsindriany fa ezahina ihany koa ny hanamboatra sy hikarakara ireo karazana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT