Fifamoivoizana

Ambatomirahavavy- Imerintsiatosika Tsy mahazo mitatitra olona ny Moto sy Bisikileta


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Taorian` ireo fepetra noraisina tamin` ny filankevitry ny minisitry ny sabotsy lasa teo, manoloana ny fihanaky ny aretina COVID-19, dia nanapaka ny teo anivon` ny faritra Itasy fa voarara ny fitaterana olona eo anelanelan` Ambatomirahavavy sy Imeritsiantosika.

 

 

 

Voakasik` izany ihany koa ny “Taxi-moto” sy “bisikileta”. 8 000 ariary ny saram-pitaterana eo amin` ireo toerana roa ireo amin` ny “moto” raha 3 000 ariary kosa izany amin` ny bisikileta. Manoloana izany dia hisy ny hetsika ataon` ny zandary miandidy amin` ity faritra ity amin` ny fandraisana fepetra amin` ireto farany ireto. Tsara no manamarika fa 200 isa ireo “taxi-moto” sy “taxi-bisikileta” mampifandray an` Imeritsiantosika sy Ambatomirahavavy isan-andro.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT