Fifamoivoizana

Ambatomirahavavy Fialamboly no natao, loza no nitranga


  • Talata 06 Desambra 2022

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny Ambodisaha Ambatomirahavavy ny Alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 06 ora.

Fianakaviana iray nandeha nialavoly nilomano kely teny Ambodisaha no tra-doza tamin’izany. Raha araka ny fantatra dia nanofa irony taxibe 138 irony izy ireo. Maika hanatitra ilay fiara nentiny anefa hono ilay mpamily tamin’io fotoana io ka nandeha mafy. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy maintsy miditra garazy amin’ny 07 ora hariva io fiara io. Vokany, nivadika ambony ambany ity taxibe ity ka vehivavy iray no namoy ny ainy rehefa tonga tany amin'ny hopitaly. Maromaro kosa ireo naratra izay nahitana zaza tsy manan-tsiny….Raha araka ny fantatra moa dia fianakavian’ireo olona tra-doza ireto ihany ity mpamily namoa-doza ity. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo naratra raha efa natao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay mpamily.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT