AMBATOLAMPY RN7

Mpamily moto mamo nikorisa tany ambany kamiao


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Manao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana any amin'ny lalam-pirenena fahafito.

Kodiaran-droa iray indray no nikorisa tany ambany kamiao ny 06 Jolay lasa teo tokony ho tamin'ny 04 ora sy sasany hariva. Teo amin'ny PK 64 + 600 no nitrangan'izany, lalana andalam-panamboarana tao Miadana Fokontanin'i Miadamanjaka, kaominina ambanivohitr'i Manjakatompo, Distrikan'Ambatolampy. Tsiahivina moa fa kodiaran-droa tsy mataho-dalana marika JIALING manana tanjaka 150 cc ity tra-doza ity. Saika hiazo an'Antananarivo ilay mpamily no nifanena tamin'ilay fiarabe iray marika Foton hiazo an'Antsirabe. Vokatry ny tsy fifehezana familiana dia tsy nahay naka fiolahana ilay mpamily moto ka lavo mialoha rehefa nifanena tamin'ilay fiarabe. Nikorisa ary tafajanona tany ambany kodiaran'ilay fiara izy vokatr'izany. Fantatra moa fa nandeha mafy izy ary nahenoana fofona alikaola be ihany koa ny vavany.Naratra ilay mpamily kodiaran-droa mazava ho azy saingy efa nentina haingana namonjy ny hopitaliben'Ambatolampy ary nampiakarina etsy amin'ny hopitalim-panjakana CHUJRA Ampefiloha, hanohizana ny fitsaboana azy.
Pati
Légende : Tahaka izao no paozin'ilay kodiaran-droa tao ambany kamiao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT