Ambatofinandrahana

Ankizy 3 mianadahy maty voatsindrin’ny entana


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

Ankizy telo mianadahy nahitana zazalahy kely miisa roa samy 12 taona sy zazavavy kely iray 8 taona

no voalaza fa maty voatsindrin'ny entana rehefa nitaingina kamiao. Vokatry ny fivadihan’ilay fiarabe mpitondra entana tany Andimaka Manavotra, kaominin'Amboropotsy, distrikan' Ambatofinandrahana no nitrangan’izany ny Alakamisy maraina teo. Mpandeha miisa 15 hafa koa no fantatra fa naratra. Voalaza fa olana teo amin'ny vitesse no nahatonga ny loza.Nitondra vary sy voanjo milanja 11 taonina, niampy mpandeha am-polony avy any Mandrosonoro ho any Ambositra moa ity Kamiao ity no izao tra-doza tampoka izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Tsy iraitampo kosa hoy ny vaovao fa ankizy samihafa ireo telo namoy ny ainy ireo. Tsiahivina fa vokatry ny haratsian-dalana eto amintsika dia marobe ireo toerana tsy tongan’ny taxi-brousse, antony hisian’ny kamiao mpitatitra entana lasa mitondra mpandeha tahaka izao.
Légénde : Telo mianadahy no maty voatsindron’ny entana teto Ambatofinandrahana (Tahirin-tsary)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT