Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina

«Ny làlana 5 taona dia potika,


  • Talata 27 Febroary 2024

ny volan’ny « FR » tsy mazava, kivy ny mpamatsy vola»

Nisy omaly ny tafa tamin’ny gazety nataon’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika niresahana ireo teboka maro mikasika ny fiaraha-miasan’io Vondrona io amin’i Madagasikara. Ankoatra ny firesahany fa misy fiantraikany maneran-tany ny ady any Ukraine sy fifandonana any Gaza ka anisany iharan’izany i Madagasikara, dia nankasitrahany manokana ny fanasoniavan’ny governemanta ny faifanarahan’i Samoa izay nasolo ny fifanarahan’i Cotonou, izay lasi-pifanarahana sy fiombonan’antoka eo amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena aty Afrika, ny any Caraïbes ary Pacifique. Noresahana ny hisian’ny fiantraikan’ny tetikasa entin’ireo ekipan’i Eoropa izay nambara fa mifanojo amin’ny Politika ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE. Notsipihiny manokana ihany koa ny fisian’ny tetikasa Erasmus+ ho an’ny sehatry ny fampianarana ambony, ka vatsim-pianarana eo amin’ny 550 no isan’ny nankatoavina ao anatin’ny roa taona hositrahan’ny mpianatra sy mpampianatra Malagasy. Nampafahantarina ofisialy io omaly io ihany koa moa ny « plateforme numérique » mikasika ireo tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara. Na eo aza izany, isan’ny notsipihin’ity diplaomaty ity ny fahakivian’ny mpamatsy vola, toy ny eo amin’ny lafiny fikojakojana ny làlana amin’ny alalan’ny FER (Fonds d' entretien Routier) izay efa novain’ny fitondrana ho FR (Fonds Routier) moa, kanefa tsy vitan’i Madagasikara ny mikojakoja, tsy milamina ny fampiasana ny FR,... Manampy trotraka an’io, 5 taona dia simba ny làlana izay tokony haharitra 15 taona izay volabe an-tapitrisa dolara no atontona amin’ireny, hany ka kivy sy tsy mazoto firy intsony ny mpamatsy vola, hoy ny fanamarihany.

Nampahatsiahy fa nanara-maso ny fifidianana ny Vondrona Eoropeanina, ary nisy ny soso-kevitra sy fanintsiana momba ny fifidianana taorian’ny fifidianana 2018, saingy tsy narahina. Naneho ny tokony hametrahana amin’ny toerany ny firaisamonim-pirenena izay manana andraikitra amin’ny fampanjakana ny demokrasia. Tahaka izany ihany ny koa ny mpisintona lakolosy, izay nisy tolo-dalàna, saingy tsy noraisina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT