Fifamoivoizana

Ambanja Matin’ny fitsaram-bahoaka ilay saofera nanitsaka olona 4


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Mpamily fiarakodia iray antsoina hoe : Chris Tonis no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambanja ny faran’ny herinandro teo

Nandona olona maromaro tamin'ny fiara nentiny tao Ambanja izy raha tsiahivina ka ka namoy ny ainy avokoa ireoefa-mianaka voadonan tamin’izany.Tezitra sy nalahelo mafy noho izany ireo vahoaka ka nahatonga azy ireo hanao fitsaram-bahoaka tamin'ilay mpamily . Niatomboka tamin’ny fikasihan-tanana izany raha araka ny fantatra ary nihafara tamin’ny famoizan’ilay mpamily ny ainy. Nambaran’ny fianakavian’ilay mpamily moa fa tsy fidiny ho an’ity farany ihany koa no nahatonga ilay loza. Ireo fianakavian’izy 4 mianaka koa anefa vonton’alahelo ihany koa noho ireo havany maro nafoy tao anatin’ny indray mipy maso. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

Voararan’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara na inona na inona mety ho antony.Ny fitsarana irery ihany no any rafitra afaka mitsara sy mamoaka ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nisy. Ny tsikaritra anefa dia mia mitombo ny fitsaram-bahoaka ; mety noho ny tsy fahalalana na ny atezerana sy ny alahelo.Misy fanentanana sy fanabeazana tokony hatao fa raha samy hanao izay saim-pantany sy araka ny fihetsem-pony dia ho zava-doza.
Nangonin’i Pati
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT