Fifamoivoizana

Ambalika Mahajanga II Nieren-doza ny fiaramanidina kely iray


  • Talata 11 Aprily 2023

Fiaramanidina kely iray ULM (Aéronef ultraléger motorisé) indray no voatery nipetraka tampoka tra-doza tao amin’ny Fokontany Ambalika Kaominina ambanivohitr’i Betsaka Distrikan’i Mahajanga II

ny sabotsy 8 aprily tokonyy ho tamin’ny 1ora30 tolakandro.. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny. Ny tompon’ny fiaramanidina sy ny mpanamory ireo voalaza fa tao anatiny ireo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra satria avotra sy tafapetraka teny an-tanimbary. Nanao sidina andrana na “simulation” tany amin’ny habakabak’i Mahajanga izy io, ary teny am-panidinana no voalaza fa maty ny maotera. Sesilany ny fiaramanidina kely tra-doza na misy olana eny am-panidinana tato ho ato teto Madagasikara. Raha hiverenana mantsy, fiaramanidina kely iray no nianjera tany Andilanatoby Ambatondrazaka ny 23 martsa, ka nahafaty ny mpanamory iray vao erotrerony, ary herinandro taorian’io dia nisy fiaramanidina kely saika tra-doza ihany koa tany Taolagnaro. Teo aloha teo, re fa nisy ny fepetra noraisina mikasika ny tsy fahafahan’ny fiaramanidina kojakojaina ao amin’ny orinasa iray mba tsy ho afaka hisidina aloha fa asa na efa nivaha ny olana na tsia?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT