Efa miditra amin` ny vanim-potoam-pahavaratra isika izao. Mitebiteby fatratra ny mpampiasa ny lalana RN 44 mampitohy an’ Ambatondrazaka sy Moramanga amin’izao fotoana izao, noho ny fahasimban’ ity lalana ity.
Atahorana hatramin` izay ny fahatapahana sy ny mety ho fisian’ny loza amin’ny fivarinan’ny fiara any anaty hantsana lalina. Olana any Alaotra rehefa mihabetsaka ny rotsak’orana, dia lasa ireo fotodrafitrasa no simba eny fa na ny fiaran-dalamby aza tsy tonga eto Ambatondrazaka intsony fa miantsona eo Vohidiala. Toerana 5 no tena hatahorana sy ratsy, dia eo amin’ny vahalavan’Andilanatoby (lalana Rabeniasy), eo ihany koa ny ao Ranofotsy, ny ao Andranokobaka, Ambodirano ary ny atsimon’Andaingo. An-dalana kosa ny fanamboarana izany ka tsy ho nofy intsony ny lalana faha 44 izay tsy nisy nijery nandritra ny taona maro ary anisan' ny tsy mikely aina amin'izao fanamboarana ny lalana izao koa ny faritra Alaotra Mangoro, hoy Dr Ramandehamanana Richard, governoram-paritra ao Alaotra Mangoro. Anisan'ny teny filamatra napetraky ny Governora ny faritra Alaotra Mangoro moa ny hoe "Faritra Alaotra Mangoro fara faharatsiny voalohany" hinoana fa hanampy ireo mpahazo tombotsoa mampiasa ity lalana ity ny fahavitan'ny RN44, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.