ALAKAMISY FENOARIVO

Moto nisongona nefa tsy nitandrina, tapaka ny tongotr’ilay mpamily


  • Zoma 21 Febroary 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN1A PK 1 - akaikin'ny CEG Ambohimasina,

Fokontany Ambohimasina, Kaominina ambanivohitr’ Alakamisy Fenoarivo afak’omaly Alarobia 19 Febroary tokony ho tamin’ny 04 ora. Moto scooter marika BWS notaingenan'olon-tokana no nisongona kamiao lehibe iray nefa nisy fiara Peugeot iray nifanena tamin'izy ireo. Vokatr’ilay fisongonana maika loatra io dia nikasoka tamin'ilay fitaratra fijerena ny any aoriana ankavian'ilay Peugeot ny familian'ilay Scooter. Lavo tamin'ny arabe vokatr’izany ity farany tara ka potika tanteraka ny tapany alohan'ilay kodiaran-droa.Tapaka vokatr'izany koa ny tongotr'ilay mpitondra moto. Nandriaka ny ra. Nentina namonjy hopitaly haingana ilay mpamily vokatr’izany.Tsy nisy fahasimbana kosa ilay kamiao raha nahitana fahasimbana kely ilay fiara Peugeot.
Pati
Legende : Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ny mpamily ity moto scooter tra-doza ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT