Akatoky ny fidiran’ny mpianatra

Mitohana sahady ny fifamoivoizana


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Hita ho mitohana sahady ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra amin’izao akatoky

ny fidiran’ny mpianatra izao. Mbola azo lazaina hoe lavidavitra ihany aza izay fidiran’ny mpianatra izay dia efa tsikaritra ho manahirana sahady, raha ny hita omaly aloha, ny fifamoivoizana teny Besarety, Mahavoky, Andravoahangy, Ambohijatovo sy ny mankany rehetra iny ny tapany maraina. Miantona moa io ny teleferika ary efa hita tamina karazana tombana sy famakafakana avy amin’ireo tekinisianina isan-karazany koa nefa fa tsy hahavaha ny olan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo velively izany satria sady voafetra ny zotra azo aleha amin’ilay izy no mbola lavitry ny fahefa-mividin’ny mponina rahateo ny saran-dalany. Ny saran-dalan’ny fiara fitateram-bahoaka na taksibe ankehitriny aza efa mampikaikaika vahoaka kanefa mbola manambana ny hampiakatra izany koa ireo mpitatitra, vao tsy ela akory izay. Hiandry izay ho ben’ny tanàna vaovao lany amin’ny fisasahan’ny volana desambra ve izany vao mety hisy fanantenana ny amin’ny hisian’ny vahaolana mikasika ity renivohitr’i Madagasikara ity na eo amin’ny resaka fandaminana fifamoivoizana izany na resaka fandaminana tsena na ny mikasika ny fako, izay tena manala baraka eto, indrindra indrindra, satria io fananana fako io izany hatreto no mba maha lohalaharana an’Iarivo aty Afrika sy maha isan’ny faha 10 voalohany azy maneran-tany hatreto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT