Air MadagMadagascar Airlines

Havotan-dRajoelina miaraka amin’ny Arabo indray hono !


  • Zoma 21 Jona 2024

Hanao fivoriana miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ary ny Madagascar

Airlines ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny alatsinainy ho avy izao mba hiresaka momba ny fanatsarana ny fiaramanidina an'ny kaompania mba hahafahana mampifandray ny faritany rehetra eto Madagasikara, raha ny nambaran-dRajoelina nandritra ny lanonana fanokafana ofisialy ITM (Salon International du Tourisme) andiany faha-10 sy ny andiany voalohany amin'ny IHM (Salon International de l’Artisanat) eto Madagasikara omaly 20 jona. Araka ny teniny, ny fifanakalozan-kevitra farany teo amin'ny tenany sy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny kaompania Emirates dia nampiseho fa nitombo be ny famandrihana ho an’i Madagasikara, izay manome herijika maro tokony hotrandrahana saingy mila ezaka avy amin'i Madagasikara ihany koa izany. Noho izany, nambaran'ny Filoha fa hisy vahaolana hampiroboroboana ny fizahantany sy ny kaompania Madagascar Airlines haseho ao anatin'ny roa herinandro. Tsy vao sambany no nanaovana serasera tahaka izao, fa efa im-betsaka, raha ny resaka kaompania nasionaly Malagasy. Ny Fanjakana Rajoelina no namono tanteraka ny Air Madagascar ny taona 2022 rehefa bokan-trosa hatrany amin’ny 80 tapitrisa dolara. Tsy nierina akory ny taona, dia bokan-trosa hatrany amin’ny 35 tapitrisa dolara ny novambra 2023. Nihena am-pitoerana tahaka ny fen’antitra ireo fiaramanidina, ka zara raha ATR iray sisa no niafarany, tsy misy sidina iraisam-pirenena intsony ary any amin’ny 2026 vao mety hiverina raha ny resaky ny mpitantana tarihin’i Thierry de Bailleul. Talohan’ny 2009 eny tany amin’ny taona 2006 dia nanana renivola 17 685 440 000Ar ny Air Madagascar raha ny tahirin-kevitra, ka 90,60% an’ny Fanjakana, ny 4,85% an’ny SONAPAR, ary ny 3,17% an’ny Air France. Nanana « flotte » fiaramanidina maro : 02 Boeing 767-300 niisa; 02 Boeing 737-300 ; 02 ATR 72-500 ; 01 ATR 42-500 ; 01 ATR 42-320 ; 04 Havilland Twin-Otter. Ny voatanisa ireo fa mbola nisy hafa toy ny Air Force One aza. Mby aiza izany izao ? Potika nanomboka ny tetezamita, raha tsy hilaza afatsy ny fividianana ireo Airbus brokantera 2 tamin’ny Frantsay. Taty aoriana, dia nandeha ny serasera samihafa, toy ny fifanaovan-tsonia tamin’ny Brezilianina momba ny fividianana fiaramanidina Embraer 190 type E2, izay teo ambany mason’ny Filoham-pirenena. Naderadera teto mihitsy aza ny santionan’io fiaramanidina io ny oktobra 2022. Tao amin’ny Lapan’Iavoloha mihitsy no natao ny sonia ny 8 desambra 2022 saingy poakaty ! Tamin’izany ihany koa no efa nilazana fa ho avy ihany koa ny Boeing 787-900 ho ampiasain'ny kaompaniam-pitaterana malagasy, nilazana mihitsy fa efa lasa ny « garantie étatique». Izao indray dia ny kaompania Emirats no andrandrain’ny fitondrana ho vahaolana ka tena hijery ny tombotsoantsika sa ny azy ? Rehefa novonoina sy maty ny kaompania Malagasy izay sokajiana ho « régulateur de prix » dia midika izany fa ny vahiny no manao izay tiany hatao ka mety ho sarotra ihany ity lazaina fa vahaolana ity. Mora ny mandrava fa sarotra ny manangana !
Toky R
Légende : Fony nanao serasera nipoapoaka fa hahazo fiaramanidina Embraer


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT