Fifamoivoizana

Air Madagascar Tsy maintsy hisy fandroahana mpiasa…


  • Talata 02 Novambra 2021

Nandefa ny raharaha any amin’ny fitsarana momba ny ady ara-barotra, “redressement judiciaire” ny Fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny raharaha Air Madagascar, izay bokan-trosa hatrany amin’ny 72 tapitrisa dolara

. Be loatra ny trosa, ka tsy maintsy mila vonjy, mila fanavotana na “dernière chance”,… hoentina manavotra azy, hoy i Rinah Rakotomanga Mpikamban’ny Filankevi-pitantanana tamina fandaharan’ny fahitalavitra Real TV ny sabotsy 30 oktobra 2021 lasa teo. Nohamafisina fa hiova tanteraka ho Madagascar Airlines, ka fanasongadinana an’i Madagasikara fa tsy ilay “Air” no isan’ny antony. Natambatra ho iray ny Air Madagascar sy ny Tsaradia satria mihena ny sarany iray manontolo raha orinasa iray no manao azy, ary mila fehezina ny "coût", hoy ny fanazavany. Ofisialy ihany koa fa misy tokoa ny fandroahana mpiasa fa tsy roahana fotsiny amin’izao. Hijery azy ireo amin’ny asa hataony aoriana, hisy fanofanana arak’asa anefa. Misy “hotesse de l’air” mety tsy te hanao ilay asany fa mety te ho mpamboly, dia anjaran’ny Air Madagascar no manao azy, misy ny te hanao varotra dia hofaninana,... Be loatra ny vesatra ny orinasa satria ny “fournisseurs” fotsiny no efa manodidina ny 600, ka tafiditra ao anatin’ny paikady ny fampihenana olona. Momba ny fanarenana, dia nambarany, fa namatotra ny fifanarahana ary mety hamandrika ny fifanarahana amina kaompania hafa, afo nandoro ny lamba toy ny tamin’ny Air Austral 6 taona, efa mailo.,.. Nambara fa tsy maintsy hiditra an-tsehatra ny Madagacar Airlines eo anatrehan’ny fisokafan’ny sisin-tany, mbola ao ireo Airbus roa, saingy tsy maintsy handalo fitsirihana. Hanofa fiaramanidina noho izany hanatanteraka sidina lavitra “Long courier”, lafolafo ny fanofana satria Boing 787-900 hiaka farany hofaina hanao ny sidina, hoy i Rinah Rakotomanga. Hisy ihany koa ny fiaramanidina iray hofaina hafa hanao ny zotra aty amin'ny ranomasina Indianina sy ny manodidina. Hampiasa ny “Certificat d'exploitation” an'ny Kaompaniam-pirenena anefa ireo. 6500, 7000 dolara eo ny “heure de vol” ka anjaranay ny miady varotra, hoy I Rinah Rakotomanga, izay nilaza fa hijery hoe iza no mety. Nambarany fa misy hampanofa 5880 an'ilay 787-900. Asa hanao ahoana indray ny ho avin’ity Kaompania Malagasy ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT