Fifamoivoizana

Air Madagascar Tsy avelan’ny Frantsay miditra any aminy


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Namoaka fampitam-baovao sy hafatra ho an’ny mpanjifa ny Kaompania Air Madagascar omaly, fa nofoanana ny sidina MD050 tokony hihazo an’i Paris France anio alatsinainy 28 septambra.

 

 

Nahazo hafatra sy fampitam-baovao avy ain’ny « Aviation civile Française » ity Kaompania-pirenena ity fa tsy afa-miditra any Frantsa ny sidin’ny Air Madagascar mandra-pivoakan’ny toromarika vaovao. Efa mitady ny vahaolana manoloana io fandrarana ny kaompania, hoy ny fampitam-baovao. Naneho fialan-tsiny tamin’ny mpanjifa ny Air Madagascar. Ny 21 aogositra dia efa nisy olana ara-teknika ny MD050, ny 27 aogositra ihany koa ho an’ny sidina MD051 noho ny tsy fahafaha-niainga tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Marseille. Tsy tena misy fanazavana teknika be, fa raha ny siosion-dresaka, dia lafiny ara-barotra no isan’ny sakana sy hilana kisa amin’ny Air Madagascar. Tsy afaka mitondra mpandeha avy aty Antananarivo mankany France i Air Madagascar  satria i Air France tsy afaka mitondra mpandeha avy any Paris mankaty Antananarivo, hoy ny fanamarihana. Andrasana anefa izay mety ho fanazavana ofisialy mafonja kokoa mba tsy hampiroaroa saina ny Malagasy, indrindra fa ireo mila mivoaka sy miditra ny firenena.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT