Air Madagascar potika tanteraka

Ohatran’ny tsy niroborobo talohan’ny taona 2009


  • Zoma 10 Mey 2024

Mijery ny tahirin-tsarin’ireo fiaramanidin’ny kaompania ana habakabaka Air Madagascar

izay mbola nahitana fiaramanidina na «boeing» maromaro fahiny dia ohatran’ny tsy niroborobo izany kaompania potika tanteraka ankehitriny izany talohan’ny taona 2009, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo vavolombelon’ny tantara. Ataoko ahoana, hoy ny raim-pianakaviana iray, ny hilaza amin’ny taranako fa tena nisy izao hita amin’ny sary izao any aoriana any? Ny 40 taona niainan'i dada tato dia saika tsaroako ny atsasany, hoy koa ny zanaka mpiasa tao taloha. Nirehareha ery izy nitondra ny anaran'izany orinasa izany hatrany ivelany, hoy izy.ahoana no hilazako ireo zanako fa sary tena nisy ireo fa tsy photoshop? Taratry ny fihemoranisika izao. ATR 42 iray angamba sisa no ao? Nanomboka 2009, novaina Airbus ilay Boeing dia hoy izy; tsy mety eto amintsika io fa tsy mahazaka hafanana dia noheveriko fa vazivazy kay tena marina. Mila «gare spécial» na fiantsonana manokana ireny hoy izy. Ity Boeing ity mafy toto sady misy «secours manuel» na fisorohana loza raha misy «panne électronique» na fahatapahana. Tsy nahay zavatra betsaka aho fa azoko an-tsaina ilay teneniny. Zaraiko aminareo fa fahatsiarovana sisa ny Air Madagascar. Nisy tomponandraikitra nanimba an'io izay tsy mahalala ny tokony ataony, hoy hatrany ity zanaka mpiasan’ny Air Mad fahiny ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT