Fifamoivoizana

Air Madagascar Ny vinan’ny PCA Eric Kohler


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Tsy maintsy hampiasaina ny « Esprit d’Entreprise » eo amin’ny fanarenana ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Malagasy Air Madagascar, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana vaovao,

Atoa Eric Kohler. Matoky an’ireo mpiasa rehetra miisa 925 ao amin’ny orinasa aho amin’izany satria tsapako fa tena manana traikefa amin’ny asa tandrify azy tsirairay avy izy ireo. Hamafisiko, hoy Atoa Eric Kohler fa ao anatin’ny telo taona ny fiaingana vaovao hanarenana an’ny orinasa ka ny fiaraha-mientan’ny mpiasa rehetra no hiantoka an’izany voalohany. Tsy maintsy jerena koa ny fanatsarana ny tolotra homena ny mpanjifa ka ho lohalaharana amin’izany ny fanamboarana an’ireo fiaramanidin’ny orinasa simba rehetra ary tsy maintsy hajaina koa ny ora fandehanan’ireo zotra rehetra hatolotry ny Air Madagascar rehetra. Tsiahivina fa miara-miasa amin’ny Air Austral izay manana ny petra-bola 49 % ao aminy ny Air Madagascar amin’ny fanarenana hatao.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT