Fifamoivoizana

Air Madagascar Nahemotra indray ny fiverenan’ny sidina iraisam-pirenena


  • Alarobia 27 Mey 2020

Notohizana ny fiatoan’ny sidina an’habakabaka ho an’ny Kaompania Air Madagascar na efa nisy aza ny vina famerenana ny sidina maro iraisam-pirenena miditra sy mivoaka an’I Madagasikara.

 

 

 Noho ny toromarika vaovao manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena sy iraisam-pirenena, dia mbola mihantona hatramin’ny 1 jona ny sidina Antananarivo-Maorisy-Antananarivo. Miato hatramin’ny 15 joana ny sidina Antananarivo-Paris-Antananarivo, Antananarivo-Marseille-Antananarivo, Antananarivo-La Réunion-Antananarivo, Antananarivo-Dzaoudzi-Antananarivo, Toamasina-La Réunion-Toamasina, Sainte_Marie-La Réunion-Sainte Marie, Toliara-Taolagnaro-La Réunion-Taolagnaro-Toliara. Miato hatramin’ny 20 jona ny sidina Antananarivo-Moroni-Antananarivo, ary hatramin’ny 20 jona ho an’Antananarivo-Guangzhou-Antananarivo. Tsy voakasik’io ny sidina fampodiana olona na entana. Mety hisy fiovana arakaraka ny zava-misy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT