Antsasak’adiny mahery taorian’ny niaingany teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alin’ny zoma 21 aogositra teo, dia niverin-dalana ilay sidina manokana MD 50 an’ny Air Madagascar nitondra mpianatra hiazo an’i Paris.
Olana teknika teny am-panidinana no antony, raha ny fanazavana, satria dia tsy nety nahazo haavo tokony hizorany ary koa tsy afaka nivoy tena ilay fiaramanidina. Nanapa-kevitra, noho izany, ny mpanamory fa hiverin-dalana ary tafapetraka soamantsara teo Ivato. Nampandrenesina ny ray aman-dreny sy fianakavian'ireo mpianatra tao anatiny, izay nisy ankizy tsy ampy taona roa, haka ny zanak'izy ireo. Noho io resaka olana ara-tekinika eo amin’ny fiaramanidina Air Madagascar io hatrany dia nanapa-kevitra ihany koa ny sabotsy teo ny masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa ny hanemotra ny dian'ireo mpandeha hihazo an'ny Madagasikara izay tokony nanainga omaly alahady amin'ny sidina MD51. Miverina indray izany ny olana teknika efa mpahazo ireo fiaramanidin’ny AirMad teo aloha, toa ny hoe varavarana tsy mety nisokatra, kodiarana tsy nety nivoaka, izao indray tsy nety nahazo ny haavo tokony hizorany .Mitombo hatrany ny fanahiana momba ity kaompaniam-pitanterana anabakabaka malagasy ity izay, raha tsiahivina dia mbola hananan’ny sampan-draharaha misahana ny seranana na Ravinala Airports trosa mitentina 5 tapitrisa Euro ihany koa amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.