« AIDE-CHAUFFEUR »-NA KAMIAO NANAO « GUIDE »

Maty potsitra teo anelanelan’ireo fiarabe roa


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Nitrangana toe-javatra nampalahelo afak’omaly Talata 28 Janoary tany Ambano Antsirabe

tokony ho tamin’ny 3 ora folakandro. Aide chauffeur na mpanampin’ny mpamily fiarabe iray no nanao guide ilay mpamiliny ka potsitra tao anelanelan'ny fiara camion anankiroa nandritry ny fanaovana manœuvre.Nikasa hijanona taorianan'ilay kamiao iray ilay Mercedes Benz 1519 iray. Nandritry ny fanaovana créneau anefa dia voatery tao anelanelan'ny fiara iray ilay tovolahy mpanampy ny mpamily izay nanao guide nandritra ilay créneau.Vokany, naratra mafy ilay tovolahy ary nindaosin'ny fahafatesana avy hatrany.Tonga nanao ny fizahana ny zandary sy ny mpitsabo teo an-toerana ka tsy maintsy nogiazana ambalan-tsazy avy hatrany ilay fiara. Ilay mpamily vao 22 taona kosa notanana hatao famotorana ary hatolotra anio Alakamisy 30 Janoary raha tsy misy ny fiovana.
Pati
Legende : Nandriaka tahaka izao ny ra teo ambanin’ity fiarabe iray ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT