Ahiahina solika mitapoka ao Toamasina

Nanatanteraka fitsirihana ny DIEH


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Tonga ao Toamasina ankehitriny ny entana nafarana, hoy ny fampitam-baovao avy

eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo omaly. Tsy ho ela dia hakarina hihazo an’Antananarivo ireo milina mpihary herinaratra miisa 7 ho an’ny fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohimanambola, hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa manana tanjaka 15 MW isanisany izy ireo, ka hanome totaliny 105 MW. Tanjona ny hanampiana sy hanatsarana ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo na RIA. Famatsiam-bolan’ny fitondram-panjakana malagasy no hanatanterahana manontolo ny asa fananganana. Vinavinaina amin'ity taona ity ny fahavitan'ny asa, raha ny voalazan'ny teknisianina hatrany. Tetsy ankilany dia nidina ifotony nanatanteraka fitsirihana na “prélèvement et contrôle qualité des produits pétroliers” tao amin'ny toby fivarotan-tsolika iray ao Tanandava Toamasina ny 9 Janoary 2024 ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny fitaleavana iraisam-paritry ny angovo sy akoran’afo na DIEH ao an-toerana sy ny solontenan’ny OMH niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana. Nandritry ny fitsirihana savaranonando tao an-toerana dia tsy nahitana toe-javatra mampiahiahy. Misy kosa nefa ny fandefasana ireo santionan-tsolika nalaina hiakatra aty Antananarivo ho tsirihina lalina ao amin’ny laboratoaran’ny OMH. Vonona ny rehetra amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanatanterahana ny paikady hamongorana ny tambazotran’ireo mpanapoka solika ao Toamasina araka ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera «Facebook». Nitohy omaly 10 Janoary 2024 ny fitsirihana ireo toby fivarotan-tsolika rehetra ao an-toerana araka ny fanamarihana nataon’ny DIEH Toamasina, Chadly Wander Assany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT