AFERA SOLIKA MITAPOKA

Olona 24 no voasambotra, nalefa eny am-ponja


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon'ny zandarimariam-pirenenana ireo olona 24

tompon'antoka tamin'ny raharaha fanapoahana solitany ireo solika tany Toamasina . Sarona ary nogiazana niaraka tamin'ireo olona ireo ny gazoala 7.950 litatra sy lasantsy 11.410 litatra , ny moto Pompes 08, moto kodiaran-droa miisa 05 ,fiara 04 ary Camion citerne 04 Raha araka ny vaovao azo dia maka gazoala izy ireo ary tapohany solitany izany. Hamidy an-tsokosoko na atao varo-maizina avy eo ka any amin'ny faritra Avatr’i Toamasina iny no hamarotan'izy ireo azy . Vokatry ny fiaraha-miasa teo zandarimariam-pirenena sy ny OMH (Office Malagasy des Hydrocarbures) moa no nahazoana ireto olon-dratsy ireo. Natolotra ny fitsarana omaly Talata 22 Oktobra izy 24 mianadahy ka fantatra fa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony mampirongatra ny varo-maizina ny fividianana solika eny amin’ny sisiny. Miantso ny mpamily sy ny mpampiasa lalana rehetra mba ho mailo araka izany ny OMH no sady mampita hafatra amin’izy ireo ihany koa fa mampidi-doza ny fampiasana solika mitapoka amin’ny fiara na ho an’ny mpamily sy ny mpandeha izany na ho an’ny kodiarana efatra.
Pati
Legende : Ireto izy 24 mianadahy tompon’antoka niaraka tamin’ireo fitaovana nampiasainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT