Afera sambo Francia 3 nahafatesana olona 88

3 taona aty aoriana vao tratra ny tompony sady mpanamory


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Aty amin’ny 3 taona latsaka taorin’ny nitrangan’ilay loza an-dranomasina goavana

indrindra niseho teto Madagasikara ny desambra 2021 vao tratra ilay tompon’ny sambo Francia 3 sady mpanamory. Raha tsiahivina, ny 20 desambra 2021 no rendrika ity sambo Francia 3 ity raha niainga avy any Mananara Avaratra niazo an’i Sonierana Ivongo. Nitondro olona manodidina ny 130 ka ny 88 tamin’ireo dia maty avokoa. Taorian’ny loza, tsy hita popoka ary nokarohana i Franc Antonio Norbert izay tompon’ny sambo sady mpanamory izany, ka ny 24 septambra lasa teo vao tratran’ny zandarimaria tao Sonierana Ivongo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Mbola mitohy ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha, raha ny fanamarihana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT